02/05: Demon-krasia
Sokajy: Ny fahavalo
Nosoratan'i: Administrator
Hoy i Satana tamin'i Kristy:
"Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Ianao".
Noroahin'i Kristy anefa izy ka nataony hoe:
"Mandehana ianao ry Satana!"

Hoy kosa indray ilay iray nitady fahefana tamin'i Satana:
"i Madagasikara fotsiny ihany omena ahy mandritra ny 5 taona dia hanompo anao mandrakizay aho hatrany amin'ny afobe; ary omeko anao ny fiainako iray manontolo"
"Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Ianao".
Noroahin'i Kristy anefa izy ka nataony hoe:
"Mandehana ianao ry Satana!"

Hoy kosa indray ilay iray nitady fahefana tamin'i Satana:
"i Madagasikara fotsiny ihany omena ahy mandritra ny 5 taona dia hanompo anao mandrakizay aho hatrany amin'ny afobe; ary omeko anao ny fiainako iray manontolo"
22/08: Fiangonan'i Jesosy Kristy
Sokajy: Ny fiangonana
Nosoratan'i: Administrator
Ny anarana an-tanimboanjo hoy ny fitenenana. Midika izany fa mety misy ireo manana anarana mitovy na dia samihafa tanteraka aza ny tompony. Mitovy ihany ary ve ny Fiangonan'i Jesosy Kristy sy ny FJKM?
Sokajy: Fiainana andavanandro
Nosoratan'i: Administrator
Tsy nomena toerana tao amin'ny "board" (na ihany koa "conseil d'administration") an'ny orinasa tsy miankina Fairfax Media i Ramatoa Gina Reinhart na dia manakaiky ny 20% aza ny petra-bolany ao amin'io orinasa fanaovan-gazety io. Ny antony dia noho izy tsy nety nanao sonia ny fifanarahana izay mifehy ny asa fanaovan-gazety ka mety hanohitohina ny fahalalahan'ny mpanao gazetiNy izay karamainy.
Sokajy: Fiainana andavanandro
Nosoratan'i: Administrator

Mbola maro ireo Malagasy no diso hevitra sy manantena fitahian'ny razana. Ankoatr'ireo mangata-pitahiana amin'ny razana dia misy koa ireo miseho mivantana miantso tromba sy fanahin'ny maty, izay heveriny fa afaka manampy azy satria tsy takatry ny sainy.
Toy ny olona mirodorodo mangata-pitahiana amin'ny razana dia mihazakazaka mankany am-pasana koa ny mpanao ody sy mpamosavy; ary tsy zava-baovao amin'ny Malagasy intsony izany mpamosavy milalao faty izany. Tsy misy mijoro amin'ny herin'i Kristy izy ireny na dia iray aza. Fanahin'ny devoly no tompoin'izy ireny na voafitaka izy na tsia.
Sokajy: Fiainana andavanandro
Nosoratan'i: Administrator

Resaka mameno ny haino aman-jery tato ho ato ny famotsoran-keloka/famelan-keloka na "amnistie". Hita tamin'izany ireo karazan'olona mpanameloka sy milaza fa ny toy izao sy toy izao dia tsy mendrika omena famotsoran-keloka. Etsy an-daniny koa dia misy ireo manambara fa tsy meloka ka tsy mitady izany famotsoran-keloka izany.
05/03: Ny atao hoe fiadanana
Sokajy: Fiainana andavanandro
Nosoratan'i: Administrator

Ny mampiavaka ny mpino Kristianina dia izy tsy miroroha saina fa manana ilay fiadanana anatiny, na dia eo aza ny olana maro mitranga eo amin'ny fiaraha-monina misy azy.
01/03: Na inona na inona
Sokajy: Baiboly
Nosoratan'i: Administrator

Ny teny hoe na "inona na inona" dia tsy midika hoe "ny sasantsasany" ihany akory fa ... "na inona na inona". Tsy iadian-kevitra izany.
28/02: TSY MISY
Sokajy: Baiboly
Nosoratan'i: Administrator

Tsy iadian-kevitra ny dikan'ny teny hoe "tsy misy". Ny "tsy misy" dia foana, izany hoe tsy ahitana na dia iray aza. Ny "tsy misy" araka izany dia tsy midika hoe "vitsivitsy" na "arakaraka"; ny "tsy misy" dia "tsy misy", ... aotra.
Sokajy: Fahitana
Nosoratan'i: Administrator

Isaorana ny Anaran'ny Tompo fa lehibe ny faharetany ka tsy sasatra Izy miantso ny Malagasy hibebaka. Toy izao ny fahitana izay nasehony ny mpanompony mba hibebahan'ireo voaantso:
Sokajy: Baiboly
Nosoratan'i: Administrator

Toy izao ny voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny 1 Korintianina 6:9: "Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin' olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra."
Araka izany dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra ireto karazan'olona ireto: