01/03: Na inona na inona
Sokajy: Baiboly
Nosoratan'i: Administrator

Ny teny hoe na "inona na inona" dia tsy midika hoe "ny sasantsasany" ihany akory fa ... "na inona na inona". Tsy iadian-kevitra izany.
28/02: TSY MISY
Sokajy: Baiboly
Nosoratan'i: Administrator

Tsy iadian-kevitra ny dikan'ny teny hoe "tsy misy". Ny "tsy misy" dia foana, izany hoe tsy ahitana na dia iray aza. Ny "tsy misy" araka izany dia tsy midika hoe "vitsivitsy" na "arakaraka"; ny "tsy misy" dia "tsy misy", ... aotra.
Sokajy: Baiboly
Nosoratan'i: Administrator

Toy izao ny voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny 1 Korintianina 6:9: "Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin' olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra."
Araka izany dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra ireto karazan'olona ireto: