Sokajy: Fiainana andavanandro
Nosoratan'i: Administrator
Tsy nomena toerana tao amin'ny "board" (na ihany koa "conseil d'administration") an'ny orinasa tsy miankina Fairfax Media i Ramatoa Gina Reinhart na dia manakaiky ny 20% aza ny petra-bolany ao amin'io orinasa fanaovan-gazety io. Ny antony dia noho izy tsy nety nanao sonia ny fifanarahana izay mifehy ny asa fanaovan-gazety ka mety hanohitohina ny fahalalahan'ny mpanao gazetiNy izay karamainy.
Sokajy: Fiainana andavanandro
Nosoratan'i: Administrator

Mbola maro ireo Malagasy no diso hevitra sy manantena fitahian'ny razana. Ankoatr'ireo mangata-pitahiana amin'ny razana dia misy koa ireo miseho mivantana miantso tromba sy fanahin'ny maty, izay heveriny fa afaka manampy azy satria tsy takatry ny sainy.
Toy ny olona mirodorodo mangata-pitahiana amin'ny razana dia mihazakazaka mankany am-pasana koa ny mpanao ody sy mpamosavy; ary tsy zava-baovao amin'ny Malagasy intsony izany mpamosavy milalao faty izany. Tsy misy mijoro amin'ny herin'i Kristy izy ireny na dia iray aza. Fanahin'ny devoly no tompoin'izy ireny na voafitaka izy na tsia.
Sokajy: Fiainana andavanandro
Nosoratan'i: Administrator

Resaka mameno ny haino aman-jery tato ho ato ny famotsoran-keloka/famelan-keloka na "amnistie". Hita tamin'izany ireo karazan'olona mpanameloka sy milaza fa ny toy izao sy toy izao dia tsy mendrika omena famotsoran-keloka. Etsy an-daniny koa dia misy ireo manambara fa tsy meloka ka tsy mitady izany famotsoran-keloka izany.
05/03: Ny atao hoe fiadanana
Sokajy: Fiainana andavanandro
Nosoratan'i: Administrator

Ny mampiavaka ny mpino Kristianina dia izy tsy miroroha saina fa manana ilay fiadanana anatiny, na dia eo aza ny olana maro mitranga eo amin'ny fiaraha-monina misy azy.
Sokajy: Fiainana andavanandro
Nosoratan'i: Administrator

Any amin'ny firenena tan-dalana dia hentitra ny fitsipi-pifehezana misy eo anivon'ny mpitandro ny filaminana. Voaraoka eo no ho eo ireo manao kitoatoa fa tsy misy fandeferana amin'ny "mpitandro filaminana" mandika ny fitsipika lehibe.
Ohatra amin'izany ny fanaraha-maso azy ireny amin'ny tsy tokony hisotroany taoka mialoha ny asa na am-perinasa na dia kely monja aza.