05/12: Nankaiza ny fiangonan'i Kristy?
Sokajy: Ny fiangonana
Nosoratan'i : Administrator

Nankaiza ianareo fiangonana no toa anjakan'ny ratsy ny firenena? Mpanolana ankizy, jiolahy mitam-basy, valifaty, vono olona, mosavy, halatra, fifampiantsian’ny mpanao politika, fitiavam-bola sy voninahitra, fitsaboana mosavy any amin-dramatoa Noelah. Ireo no mameno ny matoan-dahatsoratry ny gazety mpiseho isan’andro.
Manoloana izany dia milefitra tsy afa-manolotra vahaolana ny fiangonana satria misoko mangina ao anatiny ihany koa ny fitiavam-bola sy voninahitra ary ny politika, eny fa na ny mosavy aza. Inona moa no mba fanambarana ofisialy ataon’ireo mpitondra fiangonana sy angatahiny amin’ny mpanao politika ankoatry ny famoahana ny gadra politika sy fanokafana ny radio fahazavana ary ny fanajana ny zo maha olona? Tsy misy mitory an’i Kristy am-pahibemaso intsony ny fiangonan-dehibe ka mampanontany tena ny mpitazana hoe mbola manana an’i Kristy ho zaraina ve izy ireo? Ny tsapa sy hita dia ireo antsoiny ho “fiangonana zandriny” na “sekta” no sahy mijoro sy manambara fa i “Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana”.
Asa mitady tondrozotra hafa noho i Kristy ve ireo fiangonan-dehibe ireo sa ahoana?