04/10: TONDRO ZOTRA AMIN'NY FAMPIHAVANANA
Sokajy: Tantara
Nosoratan'i : Administrator
:
Tsy mbola voavaha hatreto ny olana politika sy sosialy ary toe-karena mianjady amin'ny firenena. Samy iarahan'ny rehetra mahita fa tsy afa-miala amin'ny fiadivan-tseza ireo mpitantana ny vondrona politika isan-tsokajiny. Ampiasain'izy ireny avokoa izay fomba rehetra hitany fa mety azahoany izany "seza" izany dia ireto:
- Fisolelahana amin'ny vahiny
- Soso-kevitra fanaovana an-tsapaka
- Fampielezana lainga amin'ny haino aman-jery
- Fitadiavana (na fampikatsoana) ny famatsiam-bola
- Fitapikaka isan-karazany
- Fampitambazana amin'ny vola sy fanomezana samihafa
- Fampiasana basy
- Fampiorohoroana
- Fanangonana vondrona antoko politika
- Fampiasana ody sy sampy
- Fisolokiana ny fivavahana Kristianina
- ... sy ireo maro hafa.
Ny filoha Zafy Albert, ao anatin'izany, dia mivohy ny resaka "fampihavanam-pirenena" ary mikatsaka ny fampihavanana ny samy Malagasy. Raha ny foto-pisainana sy toe-panahy asehon'ny mpandraharaha politika eto amintsika dia toa tsy azo heverina ny hisian'izany fampihavanam-pirenena izany. Tafalatsaka lalina ao anatin'ny fiarahamonina Malagasy ny fankahalana sy fifampiandaniana ka izany no mahatonga korontana sy disadisa etsy sy eroa. Tsy dia mahagaga loatra anefa izany satria ny vahoaka matetika dia tsy manao afa-tsy maka tahaka ny lehibeny ihany (na eo amin'ny fitondrana na tsia).
Tsy ho tanteraka ny fampihavanam-pirenena raha tsy voatsabo aloha ny fihavanana amin'Andriamanitra. "Ny Fanahy no maha olona" hoy ny fitenenana, ka raha ny fiainam-panahy no tsy mizotra tsara dia azo inoana fa tsy hisy ny fampihavanam-pirenena, na dia ao anatin'ny fihatsaram-belatsihy aza. Tsy sarotra anefa ny famerenana indray ny fihavanana amin'Andriamanitra satria efa nomeNy ny "tondro zotra" ahatanteraka izany. "Izaho no Lalana" hoy i Kristy ary nosoniaviny tamin'ny loko menamena teo amin'ny hazo fijaliana ilay tondro zotra. Ny takiany amintsika tsirairay dia ny fanetre-tena eo anatrehany, fialana amin'ny ratsy rehetra ary fitodihana Aminy amin-kasahiana sy tsy misy ahiahy. Izy Andriamanitra no nahary ny tany aman-danitra ka entanina ny tompon'andraikitra rehetra hitodika Aminy voalohany indrindra, fa tsy amin'ny vahoaka na miaramila na ny Frantsay na ny Amerikanina, na ny Afrikanina tatsimo, na iza na iza.
Mahereza ary fa mbola misy ny azonao atao!