Maresaka
Demon-krasia
"Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Ianao".
Noroahin'i Kristy anefa izy ka nataony hoe:
"Mandehana ianao ry Satana!"
Hoy kosa indray ilay iray nitady fahefana tamin'i Satana:
Fiangonan'i Jesosy Kristy
Ny anarana an-tanimboanjo hoy ny fitenenana. Midika izany fa mety misy ireo manana anarana mitovy na dia samihafa tanteraka aza ny tompony. Mitovy ihany ary ve ny Fiangonan'i Jesosy Kristy sy ny FJKM?
Ny Fiangonan'i Jesosy Kristy dia i Jesosy no lohany. Izy Lohany no manendry ny Apostoly. "Izaho no nifidy anareo fa tsy ianareo no nifidy Ahy" hoy Izy.
Ny sitrapon'ny Rainy no katsahin'ny Fiangonan'i Jesosy Kristy fa tsy izay tian'ny besinimaro atao. Anisan'ny mampifandona azy matetika tamin'ny fiarahamonina nifanesy hatrizay izany fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra izany fa tsy ny lanin'ny besinimaro toy ny amin'ny "demokrasia".
Ankoatr'izay dia anjakan'ny fifankatiavana sy fanetre-tena ary fitiavana hamonjy ny very ny Fiangonan'i Jesosy Kristy. Tsy manana anjara toerana ao ny tia tena sy voninahitra ary vola. Azo raisina ho ohatra amin'izany ny nahafatesan'ireo mpivady nivaro-pananana ka ny ampahany tamin'ny vidin-taniny ihany no nomeny ny Fiangonan'i Jesosy Kristy fa ny ampahany kosa notazominy ho azy mivady. Ilay rangahy nandrabiraby vola ho tambin'ny fanaovana batisa azy koa dia voaeloka teo no ho eo fa tsy sanatria mbola nomena anjara toerana tao ary izany fanapahan-kevitra lehibe izany dia tsy nisy fifidianana demokratika.
Toy izany ve ny hita soritra eo amin'ny FJKM sa ny anarana tokoa an-tanim-boanjo?
Izany no fahalalahana amin'ny asan-gazety!
Tsy nomena toerana tao amin'ny "board" (na ihany koa "conseil d'administration") an'ny orinasa tsy miankina Fairfax Media i Ramatoa Gina Reinhart na dia manakaiky ny 20% aza ny petra-bolany ao amin'io orinasa fanaovan-gazety io. Ny antony dia noho izy tsy nety nanao sonia ny fifanarahana izay mifehy ny asa fanaovan-gazety ka mety hanohitohina ny fahalalahan'ny mpanao gazetiNy izay karamainy.
Mbola tsy azo heverina ny fahamatorana toy izany eto amintsika satria ny tompon'orinasa matetika dia manao didi-kofehy lehibe, ary mpanao politika ny ankabeazan'ny gazety sy filazam-baovao ka izay tian'ny lehibe sy mpampiasa ihany no ambaran'ny mpanao gazety; eny fa na gazetim-panjakana  aza dia ahitana soritra izany.
http://www.abc.net.au/am/content/2012/s3534432.htm
Ny Razana sa i Jesosy Kristy?
Mbola maro ireo Malagasy no diso hevitra sy manantena fitahian'ny razana. Ankoatr'ireo mangata-pitahiana amin'ny razana dia misy koa ireo miseho mivantana miantso tromba sy fanahin'ny maty, izay heveriny fa afaka manampy azy satria tsy takatry ny sainy.
Toy ny olona mirodorodo mangata-pitahiana amin'ny razana dia mihazakazaka mankany am-pasana koa ny mpanao ody sy mpamosavy; ary tsy zava-baovao amin'ny Malagasy intsony izany mpamosavy milalao faty izany. Tsy misy mijoro amin'ny herin'i Kristy izy ireny na dia iray aza. Fanahin'ny devoly no tompoin'izy ireny na voafitaka izy na tsia.Aoka isika Kristianina tsy ho fitahin'ny devoly sy ny fanahy ratsy toy izany. Andriamanitra velona no tompointsika, dia tsy iza fa ilay omaly sy anio ary mandrakizay. "Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona" hoy ny Soratra Masina ao amin'ny Lioka 24:5. Tsy ny razana na any am-pasana sanatria no azahoantsika fiainana sy fitahiana ary famelan-keloka fa ao amin'i Jesosy Kristy irery ihany.
Ho Azy irery ihany anie ny voninahitra ary ho aminao ny Fiadanany!
Famotsoran-keloka, famelan-keloka / Amnistie
Resaka mameno ny haino aman-jery tato ho ato ny famotsoran-keloka/famelan-keloka na "amnistie". Hita tamin'izany ireo karazan'olona mpanameloka sy milaza fa ny toy izao sy toy izao dia tsy mendrika omena famotsoran-keloka. Etsy an-daniny koa dia misy ireo manambara fa tsy meloka ka tsy mitady izany famotsoran-keloka izany.Ny marina anefa dia samy meloka teo anatrehan'Andriamanitra avokoa isika rehetra tsy an-kanavaka. Meloka daholo na ireo lazaina fa olo-kendry aza, na jiolahy, na mpamono olona na iza na iza. Noho izany dia mila famotsoran-keloka isika tsirairay avy, ary i Jesosy Kristy irery ihany no marina afaka manome izany famotsora-keloka izany. Izy no nanefa ny sazy sy nandoa ny onitra teo amin'ny hazo fijaliana ho an'ireo mino sy mandray Azy.
Ny atao hoe fiadanana
Ny mampiavaka ny mpino Kristianina dia izy tsy miroroha saina fa manana ilay fiadanana anatiny, na dia eo aza ny olana maro mitranga eo amin'ny fiaraha-monina misy azy.Ny fiadanana dia tsy midika hoe tsy misy ny olana; ny tena fiadanana dia ny fiarahana misedra ny olana miaraka amin'i Jesosy.
Na inona na inona
Ny teny hoe na "inona na inona" dia tsy midika hoe "ny sasantsasany" ihany akory fa ... "na inona na inona". Tsy iadian-kevitra izany.Hoy i Jesosy: "Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka". Jaona 14:13
Marina dia marina tokoa fa na inona na inona angatahintsika amin'ny anaran'i Jesosy dia azontsika izany. Maro ny olona no mangataka kanefa tsy mahazo satria tsy mangataka amin'ny anaran'i Jesosy izy na koa misandoka ny anaran'i Jesosy. Betsaka tokoa ny misandoka ny anaran'i Jesosy, na dia tsy tsaroan'izy ireny mivantana aza izany amin'ny fitenenana fa "amin'ny anaran'i Jesosy" no ivavahany kanefa ny fony sy ny fitondran-tenany mifanohitra amin'izay.
Mahereza ary ry malala isany, mitoera ao amin'i Jesosy, raiso ny Fanahiny ary maneke Azy fa aza terena hanaiky anao Izy, lehibe sy masina ny Anarany, ary vaovao isa-maraina ny fahasoavany!
Amena!
TSY MISY
Tsy iadian-kevitra ny dikan'ny teny hoe "tsy misy". Ny "tsy misy" dia foana, izany hoe tsy ahitana na dia iray aza. Ny "tsy misy" araka izany dia tsy midika hoe "vitsivitsy" na "arakaraka"; ny "tsy misy" dia "tsy misy", ... aotra.Koa raha niteny i Jesosy hoe "tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" (Jaona 14:6) dia "tsy misy" izany. Na iza na iza miseho ho olon-kendry, na iza na iza miezaka mandresy lahatra anao, ary na iza na iza mampianatra lalan-kafa noho i Jesosy dia manohitra an'io teniny io.
Rehefa tsy misy dia tsy misy ary tsy ahitana na dia iray monja aza,... aotra.
Hitoetra ao am-pontsika tsirairay anie ny tenin'ny Tompo ary hitari-dalana antsika anie ny Fanahiny Masina!
Hisy "safo-drano" mahery vaika
Isaorana ny Anaran'ny Tompo fa lehibe ny faharetany ka tsy sasatra Izy miantso ny Malagasy hibebaka. Toy izao ny fahitana izay nasehony ny mpanompony mba hibebahan'ireo voaantso:Satria milomano ao anatin'ny ota ny firenena dia ho diovin'Andriamanitra izany noho ny fitiavany ny olony. Tsy mihevitra loatra intsony ny olona fa "manara-drenirano" sy maka tahaka ny fanaovan-dratsy ataon'ny besinimaro sisa. Hisy "rano mahery vaika" handripaka ireo "mpanara-drenirano" ireo ka maro no ho ripany.
Hitsahatra izany mandritra ny fotoana fohy ka hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra ny olona sasany, ary Andriamanitra hiaro sy hanokana azy ireo.
Betsaka kosa anefa ireo tsy miova fo ka manararaotra ilay fitsaharana vetivety sy manohy "manara-drenirano" amin'ny fanaovana ota eo anatrehan'Andriamanitra. Hisy "rano mahery vaika" indray hitondra sy handripaka azy ireny ka tsy ho voavonjy intsony "ny ainy."
Ry malala, izay no voatantara tamin'ilay fahitana ka aoka ny manam-panahy hamantatra izay dikany. Aza ampitahaina amin'ny fiainan'olon-kafa ny fiainanao fa i Jesosy Kristy irery ihany no ataovy filamatra. Matokia Azy fa Izy no efa nanolotra ny ainy ho anao ary tsy hamela anao ho irery Izy.
Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay,
Amena!
Handova ny fanjakan'Andriamanitra tokoa ve isika?
Toy izao ny voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny 1 Korintianina 6:9: "Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin' olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra."
Araka izany dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra ireto karazan'olona ireto:
1) Ny olona tsy marina
Anisan'ny olona tsy marina ny "mpandainga". Fakam-panahy sy poizina ny lainga ka tokony toherin'ny mpino amin'ny fo manontolo. Ny fandaingana dia misakana olona tsy hibebaka fa manamari-tena amin'ny lainga. Tsy ny famoronan-dainga no afaka hanamarina antsika fa ny ran'i Kristy irery ihany. "Ray o, aza avela handainga imason'ny olona aho fa ankaherezo hilaza ny marina na dia mampiseho ny fahalemeko aza izany. Mamindra fo amiko ry Tompo, ampio aho hiala amin'ny lainga ary aoka ny ran'i Kristy no hanamarina ahy. Amena!"
2) Ny mpijangajanga
Ny fijangajangana dia efa notsipihin'i Jesoa Kristy mazava tsara fa tsy amin'ny "asa" ihany fa ao am-po indrindra indrindra. Ny fijangajangana dia misy tokoa amin'ny fijerevana fahitalavitra sy aterineto na sarimihetsika sy tsy mihetsika, sns... Ny fitsiriritan'ny maso isan-karazany dia fijangajangana amin'Andriamanitra. Mila vavaka sy fifadian-kanina ny fanoherana an'ireo indrindra amin'izao vaninandro iainantsika izao. Aoka isika tsy ho voasarik'ireny ary aoka ho maotina ihany koa ny fomba fitafy sy firesaka ary ny fisainantsika fa tsy haka fanahy ny hafa.
3) Ny mpanompo sampy
Loza mihatra ity ho an'ny fiarahamonina Malagasy. Vao misy mpangalatra sy mpamaky trano tonga dia any amin'i "dadarabe" ny ankamaroan'ny Malagasy no mandeha. Rehefa hanorina trano na fasana ihany koa dia maka torohevitra any amin'ny mpanao ody, eny fa na dia ireo zokiolona maro ao amin'ny fiangonana aza. Reha misy voina na aretina manjo dia any amin'ireny ihany koa ny olona no midodododo. Maro koa ireo mitady "fahasoavana" any kanefa indrisy fa fahaverezana mandrakizay no hita! Fa lefy nankaiza ny finoana an'ilay Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra no mitady fitahiana amin'ny razana/tromba sy mitady vonjy amin'ny sampy? Loza ho an'ny firenena sy izay olona mpanao izany ka tsy mety mibebaka amin'i Kristy!
4) Ny mpaka vadin'olona
Rehefa tsy vadinao dia "vadin'olona" daholo fa tsy ny olona efa manambady ihany akory no atao hoe "vadin'olona". Noho izany, raha mbola mpisipa sy ny toy izany ianareo dia mbola azo sokajiana ho "vadin'olona" izy fa tsy vadinao mihitsy ka tandremo fatratra! Tsy misy mahafantatra ny ampitso, mety hisaraka ianareo na asa sanatria misy loza tampoka...
5) Ny sodomita
Io aloha eto Madagasikara dia tsy miroborobo be toy ny any ivelany ka angatahina Ny Tompo hiaro antsika amin'io sy hanafaka ireo tafiditra ao.
6) Ny mpangalatra
Halatra ve ny fanaovana dika tsy nahazoan-dalana ny kapila mirakitra hira, sary mihetsika, sns...? Eny. Ny fandikana "Microsoft Windows"? Eny. Ny fandikana "Microsoft Office"? Eny. Ny fividianana "ticket carburant"? Eny. Ny fanaovana kolikoly? Eny.
Tsy ny haro paosy sy vaky trano na fanodikodinam-bolam-panjakana ihany akory no halatra ka aoka hitandrina isika mpino fa Tempolin'ny Fanahy Masina ny vatantsika.
7) Ny mpierina
Ny mierina dia sahala amin'ny fanambaniana an'Andriamanitra ankolaka hoe: "tsy ampy ahy Ianao na i Kristy sy ireo rehetra izay nomenao ahy fa mitady misimisy aho". Mampiseho tsy fahatokisana Azy ihany koa izany.
8) Ny mpimamo
Aiza ny toeran'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika?
Rehefa misy ny fifaliana: aoka hidera sy hisaotra an'Andriamanitra fa tsy himamo sanatria
Raha sendra fahoriana: Ny Fanahy Masina no aoka angatahina ankahery antsika fa tsy ny taoka velively
9) Ny mpanaratsy
Iza no hanaratsy olombelona noharian'Andriamanitra "mitovy endrika Aminy?". Fiarovan-tena ve sa politika ve sa fitiavam-bola sy voninahitra no antony hanaratsiana ny noharian'Andriamanitra? Sanatria!
Raha misy ny fananarana tokony atao amin'ny olona iray dia ataovy aminy am-pitiavana ary fadio ny fanaratsiana satria vao maika hahavery azy izany fa tsy ahavonjy azy.
10) Ny mpanao an-keriny
Mpindrana avokoa isika, an'Andriamanitra ny zavatra rehetra no nampindraminy antsika. Izay manao an-keriny dia manao an-keriny an'Andriamanitra.